Sosialy

Teritery ao an-tokantrano Hosazian’ny lalàna ireo lehilahy tsy mamela ny vadiny hiasa

Voararan’ny lalàna eto amintsika ny tsy famelan’ny vadiny an’ ireo vehivavy hiasa na hitady vola. Tafiditra ao anatin’ny herisetra ara-moraly mianjady amin’ny vehivavy izany, araka ny fanazavana avy amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Hisy ny fanenjehana ireo lehilahy mampihatra an’io karazana herisetra amin’ny vadiny io.

“Maro isan-karazany ny herisetra miantefa amin’ny vehivavy. Efa mandinika ny lalàna mikasika ny herisetra mianjady amin’izy ireo isika izao. Hisy ny sazy izay heverina hampiharina amin’ireny lehilahy ireny. Mila ampahafantarina ny olona fa mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy. Amintsika Malagasy mantsy, natao hiteraka sy hitaiza fotsiny ihany ny vehivavy”, hoy Randriambelo Ny Aina, avy ao amin’iry sampan-draharaha iry, nandritra ny fanentanana ireo lehiben’ny fokontany amin’io sehatra io teny Mahamasina, omaly.

Marobe ireo fitarainana voarain’io sampan-draharaha io, nanomboka tamin’ny volana mey hatramin’ny faran’ny volana aogositra. Faharoa aorian’ny herisetra ara-nofo ny ara-tsaina. Mahatratra dimy ambin’ny folo ireo fitarainana voaray.
“ Ny vono sy ratra ary fanolanana no tena betsaka indrindra. Manao fanentanana izahay aorian’ny fitorohana ataon’ny mpitory. Ampahafantarina ny vehivavy fa tsy irery izy ireo. Misy hatrany ny vahaolana raha sendra iharan’ny herisetra izy ireo”, hoy ny fanampim-panazavan-dRandriambelo Ny Aina.

Lalàna maro mikasika ny herisetra no fantatra fa hasiana fanitsiana. Teo aloha, ohatra ireo manambady ihany no afaka mitory ny vadiny raha tratra mampirafy ity farany, ka angatahana fanovana. Ankoatra ny fanovana lalàna, misy ihany koa ireo fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra, toy ny eny amin’ny ivon-toerana Ilaiko eny Isotry. Efa misy ihany koa eny Namontana sy Antetezana Afovoany ary hitarina amin’ny fokontany hafa.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra

  • Voalazanao fa : « …amintsika Malagsy dia natao hiteraka sy hikarakara tokan-trano ny vehivavy… ». Ny fototra tena ipoiran’ny fianakaviana vanona. Raha handeha hiasa ny vehivavy dia mihena betsaka ny fikarakarany ny ankohonany. Ny kolontsaina vahiny no tsy miraharaha fianakaviana ka mamela ny vehivavy hikarakara ireo orin’asa fa tsy ny zanany (8ora –> lany any am-piasana ; 2ora –> lany amin’ny fitaterana ; 6h –> Matory ; 2ora lany amin’ny fimananana miasa sy ny fiantsenana). Fotoana kely sisa ary mety tsy hisy mihitsy aza hikarakaran’ny zanany. Atao izay hampisondrotana ny vidim-piainana, foronina daholo izao antony rehetra izao hanasana ati-doha ny olona, mba handravana io kolontsaina gasy io. Azo atao atao tsara anefa ny mampiakatra ny karaman-dralehilahy ho iray lavitrisa ariary, amin’izay tsy miasa ravehivavy. Na koa ampidinina ny vidin-javatra rehetra ahafan’ny olona miaina tsara. Farany : tokony ahena ny ora hiasan’ny lehilahy mba ahafahany mikarakara inhany koa ny zanany. Atao adin’ny roa fotsiny ohatra izany isan’andro. Ialana tsiny amin’ily hevitry ny taona faharoa (SFF) na « raisonnement T2 de l’EPP ».