Fanatanjahantena

Lalao afrikanina Nihemotra toerana iray ny filaharan’i Madagasikara

Nosongonan’ny Nosy Maorisy i Madagasikara amin’ny laharana vonjimaika amin’ireo firenena mandray anjara amin’ny Lalao afrikanina 2019 any Maraoka. Nahangona medaly miisa efatra amby roapolo ny atletan’izy ireo raha toa ka folo tamin’ny telo taona lasa. Laharana fahafito ny delegasiona maorisianina amin’izao fotoana izao. Nihemotra toerana iray ka lasa mitazona ny laharana fahavalo kosa i Madagasikara.

Hifarana anio ity Lalao afrikanina andiany faharoa ambin’ny folo ity. Nijanona teo amin’ny medaly roa ambin’ny folo ny vokatra azon’ny delegasiona malagasy (volamena 6, volafotsy 4, alimo 2). Manaraka an’i Madagasikara i Etiopia. Mbola hisy fiovana hatrany ny filaharana aorian’ny hikatonan’ny Lalao afrikanina amin’ny fomba ofisialy.

Sendra R.