Fanatanjahantena

Hazakaza-piarakodia – « Tour de Tana » Hiatrika dingana manokana folo ireo mpifaninana

Hianoka ny hazakaza-piarakodia ny mponin’Antananarivo raha afaka roa herinandro. Fifaninanana karakarain’ny klioba Asa Tana no hatao amin’ny 14 sy 15 septambra ho avy izao, tafiditra amin’ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondan’i Madagascar amin’ny taranja hazakaza-piarakodia. Nampahafantarina teny amin’ny Sodirex Ankorondrano omaly ireo dingana manokana miisa folo ao anatin’ny halaviran-dalana 101, 5 km izay hiandry ireo mpanamory. Hiatrika ireo dingana manokana efatra ireo mpihazakazaka, ny sabotsy. Amin’ny alahady kosa ireo ambiny.

Hisedra ny halaviran-dalana 330,39 km ireo mpihazakazaka miaraka amin’ny lalana tsy maintsy andalavona mirefy 228,89 km. Hanainga eny amin’ny Sodirex Ankorondrano avokoa ireo mpanamory. Hitohy eny Mahitsy amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny lalana. Hihazo ny lalam-pirenena fahatelo sy faharoa kosa avy eo.

Dingana fahenina sady alohan’ny farany izao fihaonana manaraka eto Antananarivo izao. Nahazo isa maro indrindra hatramin’izao Randrianarivony Rivo sy Randrianarivony Ando miaraka amin’ny fiara Subaru Impreza R4.

Sendra R.