Tranga samihafa

Halatra niharo vono Mpitondra môtô maty voatsatoka antsy

Nisy namono teny an-dalana ny lehilahy iray mpitondra môtô nandalo, tany Mahatsinjo Morarano Chrome, tamin’ny alin’ny alarobia lasa teo. Feno dian’antsy ny vatany, niala ny hodin-tavany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Voaroba ny môtô nentiny. Olona niaraka taminy farany no ahiana fatratra ho namono an’io lehilahy io. Efa miroso amin’ny fikarohana azy ireo ny zandary.

Mpitondra kodiaran-droa na irony taksi-môtô irony ity lehilahy namoy ny ainy noho ny hetraketraky ny olon-dratsy ity. Nitondra lehilahy roa avy tany Morarano Chrome hihazo an’i Mahatsinjo izy, tamin’io alin’ny alarobia io. «Taksi-môtô roa sisa no niasa tao Morarano Chrome tamin’io alina io. Saika ireo môtô roa ireo no niarahan’ny lehilahy roa vahiny ho any Mahatsinjo. Nivadika ho môtô iray ihany avy eo no nitondra azy ireo. Hita faty teny an-dalana tamin’ny toerana mangingina, ny ampitso maraina (Ndrl: alakamisy maraina), ilay mpitondra môtô», hoy ny zandary. Teraka ny ahiahiahy fa ireo roa lahy no nahavita ny asa ratsy.