Sosialy Tapatapany

Fifaninanana tany Maorisy

Nobatain’ireo solontena malagasy ny loka famatsiam-bola mitentina 12 300 000 ariary nandritra ilay fifaninanana mikasika ny angovo, tany amin’ny nosy Maorisy. Ilay tetikasa « du biogaz au lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana » no natolotr’izy ireo tamin’izany. Mpianatra miisa roa, taona fahairaika ambin’ny folo sokajy C avy ao amin’ny lisea Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana, miaraka amin’ny mpampianatra taranja fizika no niatrika an’io fifaninanana io.