Tranga samihafa

Fifamaliana sy herisetra Voatazona ireo nandratra mpivady lehibe

Voatazona ao amin’ny fonjakelin’ny zandary any Behenjy, nanomboka tamin’ny marainan’ny alatsinainy lasa teo, ny lehilahy roa voatondro ho nandratra mpivady lehibe tany Amboanjobe I Behenjy. Fantatra fa havan’izy mivady ihany ireto voarohirohy. Olana sy fifamaliana teo amin’izy ireo no nahatonga ny herisetra. Voafira famaky teo amin’ny lohany ilay lehilahy. Mangana sy naratra ny vatan’ilay ramatoa vadiny. Ity farany no voalaza fa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Efa nohenoin’ny mpanao famotorana kosa ilay lehilahy lehibe.

«Fantatra fa resa-bola 3800 ariary no nahatonga ny ady sy ny fandratrana an’ireo zokiolona ireo. Tamin’io marainan’ny alatsinainy nisehoan’ny herisetra io ihany dia voasambotra ireo voarohirohy. Nohalavaina ny fotoana itazonana azy ireo mialoha ny hitondrana ny raharaha eny amin’ny Fampanoavana. Tsy mbola vita rahateo ny famotorana an’ireo niharam-boina», araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpanao fanadihadiana.