Fanatanjahantena

Faritra Analamanga Mampahafantatra ny fitsipika mifehy ny fanatanjahatena ny tale vaovao

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’Andriamampionona Lalaina Njato, talen’ ny Tanora sy ny Fanatanjahanatena eto amin’ny faritra Analamanga, ny fampitana ny fitsipika mifehy ny fanatanjahantena amin’ireo mpisehatra sy mpitantana ao anatiny. Voasafidy voalohany amin’izany ny distrikan’ Avaradrano. Natomboka omaly teny amin’ny biraon’ny distrika Alasora Ankazobe ny fihaonana voalohany.

Miisa dimampolo eo ho eo ireo mpitantana sy mpisehatra miasa amin’ny taranja samihafa no nanatrika an’izany fampahafantarana izany. Nitondra ny solontenany ny avy amin’ny taranja basketball, karate, kick boxing, tolona, ady totohondry, hazakazaka am-bisikileta, tsipy kanetibe ary ny baolina kitra. Nohazavaina ny rafitra rehetra misy ao anatin’ny fanatajahantena manomboka any amin’ny klioba, indrindra rehefa misy taratasy hokarakaraina.

Zava-dehibe tsy maintsy nampahalalaina azy ireo ihany koa ny dingana rehetra arahina rehefa mikarakara fifidianana. Mikasa ny hanohy ny hetsika any amin’ny distrika hafa ny talem-paritra.

Sendra R.