Raharaham-pirenena

Fanodinkodinam-bolam-panjakana Horaisin’ny Bianco sy ny Pac an-tanana ny raharaha ao amin’ny Jirama

Hiakatra Fitsarana tsy ho ela ny raharahana kolikoly tao amin’ny orinasa Jirama. Nametraka fitoriana mikasika ny fisiana fanodinkodinam-bola ireo mpiasa ao amin’ity orinasa mpamokatra jiro sy rano ity. Fitoriana an’olon-tsy fantatra no napetrak’izy ireo tao amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha. Vola an-tapitrisany Ariary maro no voalaza fa voahodinkodina teo anivon’ny orinasa Jirama, ka nahatonga an’ireo mpiasa ireo nametraka ny fitoriana. Araka ny fantatra dia efa tafapetraka eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (Pac) ny antontan-taratasy momba an’izany.

Mialoha ny handraisan’ny Pac an-tanana ny raharaha dia mbola manohy ny fanadihadiana lalina ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Bianco. Tompon’ andraikitra ambony maromaro no fantatra fa hanaovana fanadihadiana. “Efa miroso moramora ny fanadihadiana sy ny fampiantsoana an’ireo olona voakasika”, hoy ny loharanom-baovao.