Sosialy Tapatapany

Fandaminana fifamoivoizana

Nampihatra ny fiofanana nomena azy, ireo mpandrindra eny amin’ny fijanonana antenantenan-dalan’ireo taksibe, miisa iraika ambin’ny folo mba hampihenana ny fitohanana sy ho fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny fiantsonana. Tetsy Andrefana Ambohijanahary no nanombohan’izy ireo ny fampiharana ny fiofanana azony. Ny fitantanana ny fiantsonana, ny fandrindrana ny fotoana hiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka sy ny fandrindrana ny filaharan’ireo mpandeha ary ny fanaovana tatitra no andraikitr’izy ireo.