Sosialy

Fanadinam-panjakana CEPE Mivoaka tsikelikely ny valim-panadinana any amin’ny faritra

Manomboka mamoaka valim-panadinana tsikelikely ireo fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) sy ivon-toeram-panadinana any amin’ny faritra sasany. Isan’ny efa namoaka ny azy ny any amin’ny Faritra SAVA, izay nahitana fiakarany ny taham-pahafahan’ireo mpiadina. Nihatsara ny voka-panadinana ho an’ny Cisco Andapa, satria niakatra hatrany amin’ny 70,32 % ny voka-panadinana raha toa ka 45 % izany tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 72 % kosa ny taham-pahafahana ho an’i Vohémar raha manodidina ny 63 % ny tao Antalaha.

Mety rahampitso hariva na alatsinainy maraina kosa ny eto Antananarivo renivohitra, araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny Cisco.