Zavakanto

Fampiroboroboana ny vakoka Manampy ny mozean’ny saripika Anjohy ny orinasa Star

Tanteraka omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny mozean’ny saripika eny Anjohy sy ny orinasa Star. Tanjon’ny fifanarahana ny hanampiana ara-bola amin’ny fampiroboroboana ny vakoka sy ny fanatanterahana ireo sahanasa rehetra ataon’ny ivon-toerana. Tohana ho an’ny kolontsaina avy amin’ny alalan’ny tahirin’ny saripika ihany koa izao natao izao.

Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa. Hisy ny fampahafantarana ny mozean’ny saripika amin’ireo mpiara- miasa amin’ny orinasa Star rehetra. « Faly aho satria misy orinasa manana ny toerany toy izao manapa-kevitra hanohana ny mozea. Afaka hanohy ireo ezaka efa natao rehetra izahay avy amin’ny alalan’ity fifanaraham-piaraha-miasa ity », hoy i Cédric Donck, talen’ny Mozea.

Volasoa Randriamanantena

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra