Kolontsaina

Fampianarana momba ny nomerika Mikarakara atrikasa amin’ny teknolojia ny AFT Andavamamba

Miavaka ny lohahevitra voizin’ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba, amin’izao famaranana ny volana aogositra izao. Miompana tanteraka amin’ny teknolojia ny « Samedi Digital», hotontosaina anio manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 11 ora antoandro. Atrikasa izay ianarana ny momba ny rôbôtika sy ny tontolony.

Maro ny zavatra mahaliana ho hita ao anatin’ity sehatra ity. Mahazo laka ao, ohatra, ny fikarohana sy ny zava-bitan’ireo mpikaroka. Amin’ny endrika samihafa no hizoran’ny fandaharam-potoana, toy ny fampirantiana, ny vela-kevitra, ny fifanakalozana…Misokatra ho an’ny rehetra sady maimaim-poana ny fandraisana anjara amin’ny atrikasa.