Tranga samihafa

Fahamaizana teny Ankatso II Nirehitra ny trano iray fipetrahan’ny mpianatra

Nisehoana hain-trano teny amin’ny faritra fipetrahan’ny mpianatra eny Ankatso II, omaly maraina. Nisy firehetana tao amina trano iray. Tsy nisy ny olona naratra na namoy ny ainy. Nisy kosa ny entana simba sy main’ny afo, toy ny lamba sy taratasy. Avotra ny entana sasany.

Fifampikasohan’ny tariby mpitondra herinaratra tamin’ny fotoana niverenan’ny herinaratra no heverina ho nahatonga ny firehetana. Voakasiky ny afo voalohany ny valin-drihana sy ny entana teo akaiky teo. Nifanome tanana ny fokonolona namono ny afo. Nantsoina ihany koa ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina. Milaza iretsy farany fa teny an-dalana ihany dia niverina satria efa maty sy voafehy ny afo. Nieren-doza ny trano hafa. Voalaza fa mpianatra roa no mipetraka ao amin’ity trano niharam-boina ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra