Sosialy Tapatapany

Andro tsy fiasana

Natokana ho andro tsy fiasana ho an’ny rehetra, ny tapak’andro hariva manomboka amin’ny roa ora tolakandro amin’ny zoma 6 septambra 2019, noho ny fahatongavan’ny Papa Fransoa eto amintsika. Amin’ny maha fitsidihana ara-panjakana sy ara-pivavahana sy ho fiombonam-panahy amin’ny vahoaka malagasy no antony, raha ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ ny Asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.