Sosialy

Ady amin’ny kolikoly Mitohy ny fanenjehana ireo mpiasam-panjakana tsy manara-dalàna

Vinavinaina ho amin’ny faran’ny volana septambra no hamoahana ny isan’ireo tena mpiasam-panjakana marina. Toy izany ihany koa ny isan’ireo tsy manara-dalàna na antsoina hoe matoatoa, raha ny tatitra avy amin’ny minisiteran’ny Asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy nandritra ny fampahafantarana mikasika ny fampiasana ny kajimirindra “Augure”, izay tokony hapetraka eny amin’ireo minisitera isan-karazany, omaly .

Araka ny fanampim-panazavan’ny tompon’andraikitra dia ireo mpiasa rehetra mandray vola amin’ny fanjakana amin’ny andrim-panjakana isan-karazany no tokony ho tafiditra ao anatin’io kajimirindra io avokoa. Ho fantatra amin’io fotoana voalaza io ihany koa ny mikasika azy ireo, na manara-dalàna na tsia.

“Mbola misy dingana maro toy ny fanaraha-maso ara-batana ilay mpiasa, ny fanaovana fanadihadiana amin’ny taratasy fandraisan-karamany izay vao ho fantatra na manara-dalàna izy ireo na tsia aorian’ny fampidirana ny anaran’izy ireo ao anatin’ilay kajimirindra,”, hoy i Mahadiny Girard Bernardin, talen’ny asam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.

Ireo mpiasa aty amin’ny foibe ihany no tafiditra ao anatin’ny kajimirindra “Augure” ankehitriny. Ny mpiasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana no efa nahavita ny fanisana ny 96%-n’ny mpiasa ao aminy, hatrany amin’ny Faritra.
«  Manana ireo fanampim-baovao aty amin’ny foibe ny sehatry ny fanabeazana, ka nanamora ny fanisana azy ireo”, hoy ny fanampim-panazavan’ i Mahadiny Girard Bernardin. Anisan’ny mahasarotra ny fampidirana ny anaran’ireo mpiasam-panjakana ny fifindran-toeran’ireo mpiasa, izay tsy hita tamin’ny fomba fanisana mpiasa teo aloha.

Afaka manatona an’ireo talem-paritry ny asam-panjakana any amin’ireo faritra roa amby roapolo ireo mpiasa raha misy mampiahiahy ny mikasika azy ireo.