Zavakanto

Restaurant Menabe Ivato Sylange mandihy kilalaky

Alim-pandihizana anisan’ny hafana ny fiarahana amin’i Sylange etsy amin’ny Restaurant Menabe Ivato, anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Fotoana hitondran’ity mpanakanto mivoy ny gadona kilalaky ity ny tsinjaka sy ireo hira mampientanentana rehetra nahafantarana azy hatramin’izay. Ho avy hanotrona azy eny an-toerana i Mamaliza sy Oliv du sud, izay samy fantatra amin’ny fitrandrahana ny mozika tsapiky mampiavaka iny Faritra atsimon’ny Nosy iny.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra