Zavakanto

No Comment Bar Isoraka Hiverina an-tsehatra ny tarika Specialista

Tsy hita niaka-tsehatra nandritra ny fotoana elaela ka hanatontosa seho takariva ao amin’ny No Comment Bar etsy Isoraka ny tarika Specialista, anio manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana hamelaman’ izy ireo ny vazony nanamarika vanim-potoana nifandimby teto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fiverenana an-tsehatry ny tarika koa ny seho.