Zavakanto

Jao’s Pub Ambohipo Hampitsinjaka ny Asco Music

Tarika manana ny lazany avy any Atsimon’ny Nosy. Hanatanteraka seho etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo ny Asco Music, anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Hira mampitsinjaka, vazo milanto, dihy sy korana mampiavaka ity tarika ity avokoa ireo rehetra ireo. Tsy mifidy vanim-potoana na sokajin-taona ny sanganasan’ny tarika fa sahaza ny rehetra. Tsy fahita matetika ny fiakarana an-tsehatry ny Asco Music toy izao ka inoana fa hiavaka ny fiarahana amin’izy ireo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra