Samihafa

Fiarovana tontolo iainana Orinasa tsy miankina hamadika ny fako ho angovo

Efa misy ireo orinasa tsy miankina miezaka manodina ny fako ho lasa angovo mba hialana amin’ny fiparitahan’ ny loto etsy sy eroa. Ireo fako avy amin’ny orinasa no tena ampiasain’izy ireo, toy ny fako azo avy amin’ny akoranafo arian’ireo kaompanian-tsolika sy toerana famatsiana solika ary ny avy ao amin’ ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny solika an’ny orinasa Jirama.

“ Nahavitana namokatra solika mavesatra nahatratra 2 400 000 litatra ny fanodinana fako nataonay tamin’ny taon-dasa. Azon’ireo orinasa atao no mampiasa izany satria isan’ny mampihena ny masonkarena satria tena mirary ny vidiny”, hoy i Patrice Wadley, tale jeneralin’ny orinasa Adonis nandritra ny fampahafantarana ny asany nandritra ny Tsenabe FIM teny Tanjombato.

Hiara –hiasa amin’ny orinasa iray avy any ivelany izy ireo manomboka izao, ka hisehatra eto anivon’ny ranomasimbe Indiana amin’io fanodinana ny fako ho lasa angovo io.

Volasoa R