Zavakanto

Antsahamanitra Hampifaly ireo kilonga i Momota

Hitondra hatsikana mahafinaritra ho an’ny zaza madinika etsy Antsahamanitra indray i Momota sy ny namany, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Seho hitondran’ity mpanao hatsikana ity ny “Fetin’ny ballom mbamin’ny ankizy”. Toy ny mahazatra, hisy ny tontolon’ny fakàna tahaka ny endrika sy feon’olona amin’ireny sary ampiainina ireny, izay mampisongadina hatrany ny seho nataon’i Momota.