Zavakanto

Akdee Mix Club Ankadivato Kim Jah mivazo ny hirany vaovao

Ho ambohipihaonan’ny tanora tia miala voly indray ny etsy amin’ny AkDee Mix Club Ankadivato, rahampitso tolakandro amin’ny 2 ora. Hampifety eny an-toerana i Kim Jah, mpanakanto mivoy ny vazo an-tanàn-dehibe ka hiventy ireo hirany vao- vao. Hanotrona azy ao koa i Stan Jah, artista mpiangaly mozika Ragga sy Roots kanto tena ankafizin’ny tanora ankehitriny.