Tapatapany Tranga samihafa

Filalaovana eny an-dalambe

Noravan’ny polisy ireo andiana ankizy sy tanora nilalao teny amin’ny araben’Ankazomanga, omaly. Nisy ny nilalao baolina sy nampiasa kiraro misy kodiarana. Nogiazan’ny polisy avokoa ny kilalao teny amin’ireo ankizy ireo mba tsy hahafahany manao izany intsony. Nasaina namonjy fodiana izy ireo, taorian’izay.