Tranga samihafa

Fihoaram-pefin’ny toeram-pisotroana Vehivavy nosamborin’ny polisy teny 67Ha

Nosamborin’ny polisy ny vehivavy iray mpivarotra sady tompona toeram-pisotroana iray eny amin’iny faritra 67 Ha iny, tamin’ny sabotsy lasa teo. Noho izy mbola nanokatra ny toeram-pivarotany izay efa voarara no antony nisamborana azy, araka ny nambaran’ny polisy. Notazonina any amin’ ny biraon’ny polisy io vehivavy io, mialoha ny hitondrana azy eny amin’ny Fampanoavana.

« Voarara ny fisokafan’ny toerampisotroana rehetra. Efa intelo niverenan’ny polisy io fivarotana iray io, tamin’ny herinandro lasa teo. Nanaovana fampitandremana ny mpivarotra, saingy mbola nanokatra ny fivarotana ihany. Nampirisihiny mihitsy ny mpisotro toaka sy mpanjifa tao aminy hanohitra ny mpitandro ny filaminana tonga teny antoerana », araka ny fanazavana avy amin’ny Polisim-pirenena.