Tapatapany Tranga samihafa

Nahafaty vady

Tsy mbola hita ilay vehivavy, 37 taona, voatondro ho nahafaty ny vadiny, 50 taona, tany Andapa, andro vitsy lasa izay. Voa teo amin’ny taovam-pananahany ilay lehilahy, nandritra ny fifamaliana sy ady nisy teo amin’izy mivady. Mbola afaka niantso vonjy izy saingy namoy ny ainy teny an-dalana nitondrana azy tany amin’ny hôpitaly.