Raharaham-pirenena Tapatapany

Hamehan’ny famotorana

Vita tao anatin’ny iray andro ny famotorana momba ny fiampangana fanohintohinana ny filaminana anatiny tamin’ny raharaha fitorahana « cocktail molotov », tetsy amin’ny HCC Ambohidahy, ka nahasamborana lehilahy iray, afak’omaly vao maraina be. Natolotra ny Fitsarana, omaly, ny raharaha. Olona roa hafa no voasambotra saingy nahazo fahafahana vonjimaika raha naiditra am-ponja vonjimaika ilay tratra voalohany.