Tapatapany Tranga samihafa

Fivadihana taksibe

Mpandeha manodidina ny dimy no voalaza fa naratra tamin’ny fivadihan’ity taksibe iray tetsy Soanierana, omaly maraina. Hianatsimo ho any Ambohijanaka io fiara mpitatitra olona io no izao tra-doza izao. Nivily lalana sy nandona vatobe no fantatra fa nampivadika ny fiara.