Raharaham-pirenena Tapatapany

Fitrandrahana gaboraraka

Nampiaka-peo indray ny Alliance Voahary Gasy, omaly, momba ny fitrandrahana ireo harem-pirenena voalazany fa miroborobo amin’izao fotoana izao. Manararaotra ny vanim-potoanan’ny fifidianana ireo mpitrandraka ka mitazam-potsiny ireo manampahefana. Isan’ireo voatanisa ny fandripahana ala any Ankarafantsika, fandoroana ny Parc any Ranomafana, fitrandrahana safira any Didy, ny fitrandrahana vato sarobidy sy fanaovana saribao any Andasibe ary ny maro hafa.