Tapatapany Tranga samihafa

Fandrobana vola be

Noraofin’ireo jiolahy nanafika trano iray tany Anjiajia Ankazoabo ny volabe 15 tapitrisa ariary, ny marainan’ny talata lasa teo. Tsy voafaritra ny isan’ireo mpanafika nitondra zava-maranitra nanao ny asa ratsy. Olona iray no fantatra fa naratra voakapa famaky teo amin’ny lohany.