Tapatapany Tranga samihafa

Fanafihana

Maty voatifitra, nandritra ny fanafihana niseho tany Andohan’ Ilakaka, distrikan’Ihosy ny alin’ny talata lasa teo, ny vehivavy iray, fito amby telopolo taona. Voaroba ihany koa ny vola mitentina enina alina sy dimy hetsy sy roa tapitrisa ariary. Tranona mpivaro-kena ity lasibatra. Ny vadin’io mpivaro- kena io ilay namoy ny ainy. Jiolahy roa ambin’ny folo nitondra basim-borona no nanatanteraka ny asa ratsy.