Fanatanjahantena

Baolina kitra – « Mondial 2022 » Nanala Barea tranainy maro Rabesandratana Eric

Maromaro ny fanamboarana hita ao amin’ny Barean’i Madagasikara. Navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy Rabesandratana Eric, mpanazatra ny ekipam-pirenena na ny Barea, tetsy Isoraka ny lisitr’ ireo mpilalao efatra amby roapolo handrafitra ny ekipan’ i Madagasikara hifandona indroa miantoana amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, amin’io volana oktobra io (7 sy 10 oktobra 2021).

Betsaka ireo mpilalao tranainy tsy hita intsony tao anatin’ny lisitra toa an-dry Thomas Fontaine, Jérôme Mombris, Jérémy Morel, Randriambololona Zotsara, Andriamanana Arohasina na i Dax, Ramanamahefa Ferdinand na i Dafe, Ramalingom Alexandre ary Dimitry Caloin. “Nifototra tamin’ny endridalao sy filalao nasehon’ireo mpilalao teny an-kianja ny nandrafetana io lisitra vaovao io. Ireo nahafa-po no voatazona, ankoatra izay naratra toa an’i Jérémy Morel. Amin’ ny 25 oktobra vao afaka milalao ity farany”, hoy ity teknisiana Malagasy-frantsay ity, omaly, nandritra ny “visio-conférence” nataony.

Na izany aza, mbola tafajanona ny ankamaroan’ ireo andrin’ny Barea, amin’ny alalan’ireo mpilalao efa niaro ny voninahi-pirenena tamin’ ny dingana famaranan’ny CAN 2019 natao tany Ejipta, toa an-dry Andrianantenaina Abel Anicet, Ilaimaharitra Marco ary Romain Métanire. Notazomin’ity kapitenin’ny Paris Saint-Gérmain fahiny ity ihany ireo mpiandry tsatokazo telo mirahalahy: Melvin Adrien, Randriamamy Mathyas ary Rakotoasimbola Zakanirina na i Nina.

Mpilalao avy any Etazonia

Ankoatra ireo dia mpilalao vaovao iray, izay mbola tsy nantsoina ho ao amin’ny ekipam-pirenena kosa no nanamafisany ny vodilaharana dia i Sacha Vandersteen, milalao ao amin ‘ny klioban’ny William Carey, any Etazonia. Naverina ho ao anatin’ny lisitra indray, i Fabien Boyer sy Ramanjary Théodin, samy vodilaharana. Voantso amin’ ireo lalao roa manoloana ny Léopards ireo ihany koa Randrianantenaina Arnaud na Yaya sy Henry Gladison, rehefa efa tsy  tazana tao anatin’ny ekipam-pirenena. Momba azy dimy lahy vaovao dia nohazavain’i  Eric Rabe, mpanazatra ny Barea, fa “manana tanjaka hiatrehana an’ny RDC izy ireo”. « Ekipa mafy sady sangany ny RDC saingy tsy midika izany fa tsy azo resena izy ireo. Manana ekipa afaka mifanandrina amin’izy ireo isika », hoy hatrany izy.

« Henjana ny hazakazaka amin’ireo lalao mandroso sy miverina. Amin’ny alatsinainy 4 oktobra izahay miainga hanafika an’ny RDCongo. Hanomboka ny fanazarantena miaraka, ny ampitson’io hatramin’ny 6 oktobra 2021. Irariana ny hahatongavan’ireo mpilalao miaraka satria hiarahiainga any Frantsa ireo mpilalao any Eoropa raha samy manana ny fiaingana kosa ireo amin’ny firenen-kafa », araka ny fanampim-panazavan’ny mpanazatra ny Barea.

Lisitr’ireo mpilalao

  • Mpiandry tsatokazo : Melvin Adrien, Mathyas Randriamamy, Nina Razakanirina
  • Vodilaharana : Pascal Razakanantenaina , Romain Métanire, Mamy Gervais, Théodin Ramanjary, Sacha Vandersteene, Fabien Boyer
  • Irakiraka : Loïc Lapoussin, Abel Anicet Andrianantenaina, Rayan Raveloson, Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, Lalaina Manampisoa, Hery Bastien
  • Lohalaharana : Voavy Paulin, Njiva Rakotoharimalala, Carolus Andriamahitsinoro, Hakim Abdallah, Fabrice Rakotondraibe, Arnaud Randrianantenaina, Tsito Razafindrasata, Henry Gladison

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao