Fanatanjahantena

Fiainana klioba Nanolotra fanamiana ho an’ny Ajesaia ny Nino Design

Nanomboka omaly ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Nino Design sy ny klioban’ny baolina kitra Ajesaia. Nanolotra fanamiana roa samy hafa ho an’ity ekipa eto Antananarivo ity ny Nino Design teny Ambanidia. Natokana ho an’ireo mpilalao hifaninana any amin’ny ligim-paritra ireo fanamiana ireo. Mbola tsy anisan’ny hampiasa ny fanamiana, araka izany, ireo mpilalao hiatrika ny diviziona nasionaly.

Hitan’ity orinasa ity ny lalana nodiavin’ny Ajesaia sy ny fivoarany tao anatin’izay 21 taona nisiany izay. Anisan’izany ny fahitana ny fivoaran’ireo mpilalao avy ao amin’ny Ajesaia, izay efa milalao any amin’ny klioba matihanina any ivelany, toa an’i Abel Anicet sy Nomenjanahary Lalaina na i Bolida. Izany no nanoloran’izy ireo ny fanamiana. Mbola fanombohan’ny fiaraha-miasa anefa iny fanomezana fitaovana iny, raha ny fanazavan-dRazafimamonjy Jocelyn, filohan’ny orinasa.

Sendra R.