Fanatanjahantena

Baolika kitra – Fankasitrahana Voahosotra ho mpilalao eoropeana mendrika indrindra i Van Dijk

Manampy ny amboara iraisana (Tompondakan’i Eoropa isan-tarika) efa azony niaraka tamin’ny Liverpool FC (Angletera) ny fankasitrahana an’i Virgil Van Dijk (Nerlandey) ho mpilalao baolina kitra mendrika azy any Eoropa tamin’ny taom-pilalaovana 2018-2019. Tontosa tany Mônakô omaly alina, nandritra ny antsapaka fizaràm-bondrona an’ireo ekipa 32 hifaninana amin’ny « Uefa champions league 2019-2020 », ny fanolorana azy an’izany mari-pankasitrahana izany. Nosongonan’ity mpilalao mpiandry vodilaharana mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Pays-Bas ity i Christiano Ronaldo (Juventus/Portigaly) sy Lionel Messi (Barcelone/Arzantina).

Sendra R.