Tranga samihafa

Zava-mahadomelina Lehilahy nahatrarana rongony 16 gony

Voasambotry ny zandary, tany Antsahabe-Ambanja, ny lehilahy iray mpivarotra sy mpamboly rongony, tamin’ny 24 jona lasa teo. Sarona tany aminy ny rongony enina ambin’ny folo gony milanja 320kg.

Angom-baovao avy amin’ny olona monina any antoerana no nahafahana nisambotra an’io lehilahy io, araka ny fantatra. « Nisy olona nilaza ny fisian’ireo rongony marobe ao amin’ny tokantrano iray taty aminay. Nanaiky ny famboleny rongony ilay lehilahy tratra, monina any Ambohimarina, kaominina Ambalafaminty, any Antsohihy. Nikasa hivarotra ireo rongony ireo antsinjarany no anton-diany tany Ambanja », araka ny filazan’ireo mpanao famotorana.