Tranga samihafa

Lalao nitera-doza Tovolahy maty voatsindrin’ny omby

Nitera-doza ny lalao tolon’omby nataon’andian-jatovo tany amin’ny fokontany iray any amin’ny kaominina Tsianindohany, distrikan’Ambalavao, tamin’ny zoma 26 jona lasa teo. Maty tsy tra-drano voatsindrin’ny omby notolominy ny tovolahy iray, manodidina ny dimy amby roapolo taona.

Fanaon’ny olona any amin’iny faritra iny ny manao tolon’omby, rehefa andro fety. Nisavika omby vositra iray ity tovolahy saingy nianjeran’ilay biby lehibe. Nikoropaka nanavotra azy haingana ny namany. Nokasaina hoentina any amin’ny hopitaly ilay niharam-boina saingy tsy tana intsony ny ainy. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana sady nanao ny fanadihadiana momba ny zava-nisy marina.