Sosialy

Fitaterana eto an-drenivohitra Havadika nomerika ny taratasy fahazoan-dalan’ny fiarakaretsaka

Misy foana ireo fiarakaretsaka miasa an-tsokosoko satria tsy manana taratasy fahazoan-dalana na « lisansa » akory. Havadika ho nomerika io taratasy io mba hisorohana an’ireo mpijirika. Fantatra fa efatra arivo ny fiarakaretsaka voaisan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), amin’izao fotoana izao.

« Mila manana antontan’isa mazava momba an’ireo fiarakaretsaka manana fahazoan-dalana ara-dalàna isika, ka tamin’ny fotoana nizarana ny Vatsy Tsinjo no nahafantarana fa efatra arivo eo ho eo no ara-dalàna », hoy Ramanambintana Richard, talen’ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana ao amin’ny CUA.

Miditra tsikelikely amin’ny famadihana ny fahazoandalana ho nomerika ny kaominina Antananarivo renivohitra, ankehitriny, izay ho maimaim-poana tanteraka ny fanamboarana azy.