Raharaham-pirenena

Fanadinam-panjakana Hikatona anio ny fisoratana anarana amin’ny Cepe

Mifarana ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana Cepe amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity, anio. Tsy hisy intsony ny fanemorana satria efa nampitomboina dimy ambin’ny folo andro ny fe-potoana hahafahana mameno ireo antontantaratasy rehetra. Amin’ny 7 mey ho avy izao kosa no hikatona tanteraka ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana Bepc. “Tokony ho efa nahavita avokoa ny mpiadina rehetra. Efa nisy ny lamina napetraka nampiakarana an-tsekoly ireo ankizy kilasim-panadinana, hahafahana mikarakara ny antontan-taratasy ilaina hiatrehana ny fanadinana”, hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nilaza ny avy ao amin’ny Cisco Antananarivo renivohitra fa rehefa mikatona tanteraka ny fisoratana anarana vao misy ny antontan’isa mikasika ireo mpiadina rehetra. Hatreto, mbola voatazona ireo daty hanatanterahana ny fanadinana efa napetraka tany am-boalohany. Amin’ny 6 jolay ho avy izao ny Cepe, raha amin’ny 19 hatramin’ny 22 jolay 2021 kosa ny Bepc. An-kilany, andrasana ny fanambaràna ataon’ny Filohan’ny Repoblika, amin’ity farany herinandro ity, amin’ny fiverenan’ ny fampianarana na tsia.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra