Tranga samihafa

Asan-jiolahy mahery vaika Fitaovam-piadiana maro tratra tamin’ ireo mpaka an-keriny zanaka minisitra

Ravan’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava, eny Fiadanana, ny andian-jiolahy iray mahery vaika nanao fakàna an-keriny maro teto an-drenivohitra hatrany amin’ ny faritany. Voasambotra mihitsy ny voalaza fa mpitarika azy ireo.

Mbola sarona tany amin’ity fikambanana mpanao asa ratsy ity ny basy “kalachnikov” miisa telo, poleta telo, grenady roa sy bala maherin’ny dimanjato isa. Izy ireo no voalaza fa naka an-keriny ny zanaka mpandraharaha iray, izay minisitra am-perinasa ankehitriny teny Andranobevava, taona vitsy lasa izay.

Ankoatra io zanakalahin’ ny minisitra am-perinasa ankehitriny io dia : “tompon’ antoka tamin’ny fakàna an- keriny ny tompona toeram- pivarotana fanafody lehibe iray eny Ivandry ihany koa ireto jiolahy ireto “.
“ Izy ireo koa no naka an-keriny ilay Karàna, teny amin’ny Golf Andakana sy Karàna hafa teny Soavina, tamin’ny taona 2018”, hoy ny jeneraly Rakotondrazaka Andry, Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritany zandarimaria eto Antananarivo, teny Ankadilalana.

Mpitandro filaminana iray

Tany Antalaha no nahatrarana ny lohan’ity fikambanan-jiolahy ity. Efa naka an-keriny Sinoa iray, mpandraharaha lavanila tany an-toerana izy ireo. “Ankoatra izao tany Antalaha izao dia miparitaka manerana ny Nosy ireto jiolahy ireto satria nisy ny tany Mahajanga no nosamborina ankoatra ireo teto an-drenivohitra”, hoy hatrany iry manamboninahitra iry.

Olona folo no tratra ahiana ho mpiray andiany amin’ireto mpaka an-keriny ireto. Ny iray amin’izy ireo no fantatra fa mpitandro filaminana. Tsy mahagaga raha nahitana fanamiana miaramila miisa roa sy fehinkibo fitondran’ny miaramila iray tany amin’izy ireo. Nilaza ny lehiben’ny Sampan’ny zandarimaria misahana ny heloka bevava, eny Fiadanana, ny lietna-kolonely Ravelomanana Tahina fa: “efa eo am-pelan-tanan’ izy ireo ny trano lehibe miisa roa sy fiara raitra miisa roa novidiana tamin’ ireo vola azo tamin’ny fakàna an-keriny nataon’ity andian-jiolahy mahery vaika ity. Eo am-pikara- karana ny hanaovana lavanty ireo trano sy ireo fiara ny tompon’andraikitra ho lasa fidiram-bolan’ny fanjakana”, hoy izy.

Raha tsy misy ny fiovana dia hatolotra ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly na ny PAC, eny 67Ha, anio, ity raharaha ity.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra

  • Feno fahavononana sy fahasahiana ny mpitandro filaminana ankehitriny @ famakiana ady @reo olon-dratsy manerana ny Nosy satria mahazo tohana avy @ fanjakana foibe hatrany. Mirehitra ao ampon’izy ireo indray ny fanompoana ny firenena ary indrindra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany

Loham-baovao