Raharaham-pirenena Tapatapany

Fampandrosoana

Nisongadina tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko AKFM Fanavaozana, Ny Hasina Andriamanjato, omaly, ny filazany ny maha zava-dehibe eo amin’ny tantaran’ny firenena ny fahasahian’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nanao velirano tamin’ny vahoaka malagasy. Amin’izao fotoana izao dia miandry ny fanatanterahana an’izany ny Malagasy, hoy izy, ka tokony hisy ny fiaraha-mientan’ ny rehetra hahatongavana amin’ny tanjona kendrena, dia ny fampandrosoana tena izy eto Madagasikara.