Raharaham-pirenena

Boriborintany voalohany Takin’ny mponina ny hanavaozana ny tsenan’ny Coum 67Ha

Nifototra tamin’ny fanga­tahana fanavaozana sy fanorenana fotodrafitrasa ny hetahetan’ny ankamaroan’ ireo mponina eo anivon’ny Boriborintany voalohany, izay nihaona tamin’ny kandidà Andriantsitohaina Naina, omaly. Fokontany efatra ao 67Ha sy ny fokontanin’ Ankasina no nandalovan’ity kandidàn’ny Ird ho ben’ny tanàna eto Antananarivo ity. Nangatahin’ireo mponina, ohatra, ny fanavaozana ny tsena ao amin’ny “Coum” 67Ha, izay matetika dibo-drano rehefa andro fahava­ratra tahaka izao.
Eo ihany koa ny fanadiovana an’ireo lakandrano, ny trano fivoahana sy fidiovana ary ny fanamboarana paompin-drano vaovao. Maro ireo tanora miandrandra ny kandidà Andriantsitohaina Naina mba hanaovana fifaninanana ara-panatanjahantena eo anivon’ireto fokontany ireto. Isan’ny nitondran’ireo mpo­nina fitarainana taminy koa ny fisian’ireo fanorenana trano tsy ara-dalàna eny amin’ iny faritr’i 67Ha iny. Milaza ny hanara-maso izany akaiky ity kandidà ity.