Raharaham-pirenena

Fifidianana loholona Haverina ny fandrafetana ny lisitra volomboasary

Hiova indray ny lisitr’ireo kandida hitondra ny loko volomboarasy amin’ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tontosa, tamin’ny herinandro lasa iny, ny fifantenana voalohany niaraka tamin’ny fandrafetana ny lisitr’ireo kandida saika haroson’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV) amin’io fifidianana, saingy izao haverina hokitihina izao.

“Mamerina ny antso ho an’ireo olona manana ny fahaiza-manao afaka hisolo tena ny antoko amin’io fifidianana io izahay. Nojerena avokoa ny mombamomba an’ireo kandida namaly ny antso, ka nisy ary mety mbola hisy ny fanitsiana ny lisitra”, hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, tamin’ny antso an-tariby, omaly.

Nomarihiny ihany koa fa tsy voatery ho mpikambana ao anatin’ny antoko TGV no hosafidiana hiatrika ny fifidianana loholona.  Fantatra fa tsy maintsy vita, amin’ity herinandro ity, ny fandrafetana an’io lisitra vaovao io.