Fanatanjahantena

Kitra – Lalao ara-pirahalahiana Lavin’ny FMF ny fisian’ny lalaon’ny Barea sy Nizeria

Miparitaka tao amin’ny tambajotra « Facebook » tato ho ato ny vaovao milaza fa hisy ny lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Voromaherin’i Nizeria, hotanterahina any Frantsa, afaka iray volana. Namoaka fanambaràna mandiso an’io vaovao io ny Federasiona malagasin’ny taranja baolina kitra, afak’omaly. « Taranja fehezin’ny lalàna sy fitsipika ny baolina kitra. Misy ambaratonga maromaro arahina ny fikarakarana lalao iray ary tsy maintsy ankatoavin’ny rafitra ambony samihafa, toy ny Federasiona iraisam-pirenena sy ny Kaonfederasiona afrikana », araka ny fanambaràna nataon’ny FMF. Manamafy izany koa ny tsy mbola fahafahan’ny rehetra mivezivezy noho ny hamehana ara-pahasalamana maneran-tany. Na izany aza, maro ny fihaonana efa vinavinainy hotontosaina hanomana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny CAN 2022 sy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Qatar. Miantso ny mpitia baolina kitra malagasy rehetra ny Federasiona mba tsy hanaparitaka filazana samihafa, ankoatra ny vaovao ofisialy.