Tranga samihafa

Firehetana tany Mampikony Fivarotam-panafody sy trano lehibe efatra ravan’ny afo

Nisehoana hain-trano goavana, tany an-tampon-tanànan’i Mampikony, omaly antoandro. Nopotehan’ny afo ny trano lehibe dimy samy misy rihana: fivarotam-panafody, tranombarotra, fivarotana kojakojam-piarakodia, trano tsotra. Tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra saingy nihoa-pampana ny fahavoazana ara-pitaovana sy kojakoja samihafa, tahaka an’ireo entam-barotra sy ny fanafody maro.

Tamin’ny folo ora sy sasany maraina tany ho any no niantombohan’ny firehetana tao amin’ny fokontany Mandrosoa. Niainga tamin’ny trano fivarotana kidoro ny afo, araka ny vaovao voaray, omaly. Tsy misy mpamonjy voina any Mampikony ka ny fokonolona ihany no niara-nientana namono ny afo sady namoaka ny entana. Ora maromaro taorian’izay vao voafehy tanteraka ny firehetana. Nidina tao amin’ity toerana niharam-boina ity ihany koa ny mpitandro filaminana tamin’ny fisahanana ny fandaminana an’ireo olona nitangorona nanoloana ny loza niseho.