Tapatapany

Fametrahana governera

Mandeha ny asa fampandrosoana na dia eo aza ny vesatry ny fotoana sy ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 eto amintsika. Porofon’izany ny fametrahan’ny fanjakana, nandritra an’ireo fitsidiham-paritra nataon’ny Filoha Rajoelina Andry, an’ireo governora telo vaovao. Taorian’ny tany Boeny, dia ny governoran’ny faritra Diana, Daodo Arona Marisiky, no nandray ny toerany tamin’ny fomba ofisialy. Manamafy ny fanohanana ara-bola sy arapitaovana an’ireo faritra rehetra hatrany ny Filohan’ny Repoblika, toy ny fandefasana an’ireo fitaovam-panamboaran-dalana, alohan’ny faran’ny taona sy ny fanomezana ny vola andiany faharoa ho an’ny faritra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra