Tapatapany

Fahatrarana mpanendaka

Lehilahy roa, voatondro ho mpanendaka, no nosamborin’ny polisy teny Andravoahangy, afak’omaly. Vaovao avy amin’ny olon-tsotra no nanainga an’ireo mpitandro filaminana tamin’ny fanatanterahana an’izao hetsika teny an’elakelan-tranon’Andravoahangy izao. Tsy afa-nandositra ireto mpanendaka satria nohodidinin’ny polisy ny lalana miditra sy mivoaka tamin’io elakelan-trano io. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy ireo, taorian’ny nanolorana azy ireo teo anoloan’ny Fampanoavana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra