Raharaham-pirenena

Tetibolam-panjakana 2020 Miditra lalina koa ny Firenena Mikambana

Nanome toromarika amin’ny tokony hijerena manokana ny sosialim-bahoaka amin’izao fiatrehana ny ady amin’ny tsimokaretina « Covid-19 » izao ny Firenena Mikambana, araka ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ireo solontenan’izy ireo sy ny mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, teny Tsimbazaza, afak’omaly hariva. Mandroso hevitra amin’ny hanokanana ny 20 %-n’ny Tetibolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana hanohanana an’ireo olona marefo ry zareo, araka ny tenin’ny mpanolotsaina ambony misahana ny fiahiana ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU, Omer Kalameu, nitarika ny delegasiona teny an-toerana.

Toa efa voavaly ihany ity toromariky ny Firenena Mikambana ity. Namariparitra ny hanompanana tetibola amin’izany sosialim-bahoaka izany ny fanjakana, araka ny fanamafisan’ny Filankevitry ny minisitra, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.