Kolontsaina

Hira fiderana Hamoaka vokatra iray i Rojo Ny Avo sy Mialy Rakotomamonjy

Hivoaka, tsy ho ela, ny rakikira « Tsy ho foana ny fanantenako », hiarahan’ny tarika Mialy Rakotomamonjy sy ny tarika Rojo Ny Avo. Miompana amin’ny hira fiderana sy fanomezam-panantenana ny Malagasy ao anatin’izao ady amin’ny tsimok’aretina « Covid-19 » izao io sanganasa iraisan’ny tarika roa tonta io.

« Eo am-pamaranana ny fanodinana ny rakikira ny ekipa, amin’izao fotoana izao. Tsy afaka ny hilaza daty aloha aho satria miankina amin’ny fahavitan’ny fampitambarana ny horonantsary hataon’ny teknisiana izany. Tsy ho ela intsony kosa anefa ny hamoahana azy », hoy Rojo Ny Avo, tamin’ny antso an-tariby, omaly.

Sambany no nampiara-peo tahaka izao ny tarika Mialy Rakotomamonjy sy ny tarika Rojo Ny Avo. Mampanantena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sahady izy ireo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra