Raharaham-pirenena

Fitantanana an’Iarivo Nampitandrina an’ireo mpanely tsaho ny Ben’ny tanàna

Leo ny fanaparitahana vaovao tsy marina miteraka korontana eo amin’ny fitantanan-draharaha eto an-drenivohitra ny Ben’ny tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nampitandrina an’ireo minia manely tsaho ny tenany, omaly. « Ekena ny fahalalahana maneho hevitra, saingy lavina ny famafazana lainga manakorontana ny filaminam-bahoaka, izay melohin’ny lalàna », araka ny voaraikitra tamin’ny fanambaràna nosoniaviny.

Mitoetra ary tsy misy miova ireo fepetra rehetra noraisiny teo aloha, indrindra fa ireo voafaritra ao anatin’ny fandaharanasany « Veliranon’Iarivo ». Isan’izany, ohatra, ny maha maimaim-poana ny fakàna ny fahazoan-dalana mamily fiarakaretsaka. Niangavy an’ireo mponina mba hanatona an’ireo tompon’andraikitry ny kaominina eto andrenivohitra ny tenany raha misy ny manjavozavo.