Sosialy

Fiarovana zaza Mila ravàna ny tambajotran’ny mpaka an-keriny ankizy varira

Lasibatry ny olon-dratsy ireo zaza varira na bobo eto amintsika. Tsy latsaky ny dimy ireo ankizy varira nisy nangalatra sy nalaina an-keriny tamina faritra vitsivitsy teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny volana janoary, araka ny tatitra avy amin’ny Tambazotra Malagasy misahana ny olona manana fahasembanana (RMH). Tandindonin-doza izy ireny, ankehitriny, ka anairana sy anaovana antso vonjy amin’ny tompon’andraikitra ny fiarovana azy. « Manana olana ara-pahitana, matetika, ireo zaza bobo. Sahirana tanteraka izy rehefa tojo hazavana be loatra. Misy amin’ny olona sasany no mihevitra fa manana hery miafina sy mahita ny miafina ny zaza varira. Izany no antony hakana ankeriny azy sy hangalarana ny masony », araka ny fanazavandRazafindrakoto Falihery, filohan’ny  Tambazotra Malagasy misahana ny olona manana fahasembanana (RMH).   Tra-tehaky ny zandary matetika ny olona mangalatra zaza varira. Avotra ihany koa ireo zaza very, toy ilay niseho tany Ankiliabo, distrikan’i Manja, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. « Ny fomba amampanao sy ny finoanoam-poana no sakana tsy ahafahan’ireo zaza varira miaina an-kalalahana. », araka ny fanazavana hatrany.