Fanatanjahantena

KITRA – AMBOARAN’NY CAF Hisedra lalao iraisam-pirenena voalohany ho azy i Robson Hubert

Hitsapa lalao iraisam-pirenena voalohany, amin’ny maha mpanazatra tompon-toerana azy, i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra ny ekipan’ny Elgeco Plus, anio, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Hatramin’izay dia mpilalao sy mpanazatra mpanampy izy no niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. “Efa mpanazatra mpanampy aho teo aloha. Nandraisako lesona izany. Nisy ihany koa fotoana nandalovan’i Nicolas Dupuis tamin’ny fanazarantena nataonay ka nifampiresaka izahay. Tamin’io fotoana io no nanohanany ahy ara-moraly », hoy i Robson Hubert, mpanazatra ny Elgeco Plus.

Hifanandrina amin’ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale izy ireo, anio, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tafiditra ao anatin’ny fihodinana voalohany eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina izany. “Tanjonay ny handresy amin’ny isa maromaro. Niompana tanteraka tamin’ny fanafihana ny fanomanan-tenanay saingy tsy natao ambanin-javatra ny fiarovan-tena”, hoy hatrany i Robson Hubert.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao