Tapatapany Tranga samihafa

Fitondrana antsy nampigadra

Nahitana antsy lava tany amin’ity tovolahy iray nosavain’ny pôlisy teny Isotry, tamin’ny sabotsy antoandro lasa teo. Voalaza fa tamin’ny fahitana azy nampiahiahy no nahatonga ny pôlisy niroso tamin’ny fisavana. Nambarany anefa fa tsy azy io antsy io. Natolotra ny Fampanoavana ity tovolahy ity. Nogadraina vonjimaika tamin’izay izy.